Ny fahalasananao (Randja)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny andro nialanao teto amiko inyno nahatsapako fa misy fahabangana teo amin'ny fiainana
nefa tsy misy hafa ankoatranao iny
no olona azoko hianteherana, hametrahana fitarainana
Tsy mba endrika mirana no tazanao
fa toa feno alahelo, kotsan-dranomaso
malomaloka ny andro, tsy hita izay atao
tsy misy hafanana toa zary maty afo
Tsy misy favitrihana fa toa osa lava
fa ianao no toky, ianao no hery
manazava ny andro, mahamirana ny tava
mitsabo ny ratra, manasitrana ny fery
Fa ny fahalasananao no tena tsy zaka
miantraika amin'ny aina, mandratra ny fo
efa zatra anao aho dia toa vakavaka
raha ny hitady olom-baovao hasolo anao moa
--------
Lien:
