Raha toa ka ianao (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ka ianao no mihazona ity tanana
dia tojo olon-tiana ka heniky ny hafaliana
fa ianao ilay anjely mpiandry mampisy hery hitsanganana
hanafaka ny gadra, hanafoana fijaliana

Raha toa ka ianao no mitoetra eo anilako eo
dia mitondra famonjena, manafaka fatorana
fa ianao no mpamonjy sy faniloko rahateo
mpanome aina sy fitia sady be fangorana

Raha toa ka ianao no mba anjara tandrify
dia tonga amin'ny tanjona niriana hatrizay
fa ianao ilay nofinidy hanaingo ny fiainana tsy midify
hasandratro any amin'ilay Ray ny vavaka hoe ny antsikaroa ho mandrakizay
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Fitiavana
682 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Randja
Inséré par : voady
Date : 14/09/2024 09:11
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113