Safidy (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny safidy tsy natao an-tery fa malalaka
raha toa hitady sy hifantina olon-tiana ianao
mahaiza tsara ny mandinika sy ny manavaka
f'izay tandrify voatendry no anjaranao

Notsongaina ianao tao anatin'ny maro
f'ianao no tazako meva sy kanto
tsy zaraina, tsy atakalo fa mahasaro-piaro
tavela aminao aho dia tsy handranto

Nofantenako ianao dia ho tiavina
mandritry ny androm-piainako rehetra
anjarako ianao dia tsy ho lavina
hitondra ilay fitiavako tsy hanam-petra

Hajaiko ianao no sady koloiko fa safidy
manjaka malalaka ao am-poko rahateo
ekeko mibaiko, tsy ho laviko mandidy
andrianiko, tompo tompoiko tsy ankaleo
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Fitiavana
505 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0201