Tsy takona afenina (Pharaon)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy takona afenina hatrizayny afom-pitiavana tato am-poko
mahazo vahana mahamay
mitombo hery tsy miova loko
Tsy takona afenina tokoa
raha ny alahelo anao
manindry ny fanahy sy ny fo
rehefa iny ianao nandao
Tsy takona afenina marina
ny olona iray rehefa tia
mirediredy tsy saro-patarina
fony isika niara-dia
Tsy takona afenina velively
raha ny hafaliana ao anatiko ao
feno soa rakotra tantely
rehefa injay aho eo anilanao
--------
Lien: