Sahia (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahia mandry am-piadanana, izany Neny tiako izany
Sahia ! Fa tsy mijaly akory aho raha sendra nitomany
Mba niofo ho ranomaso ny tsiaro anao rehetra …
Ilay tsikinao, irony hehy, ny tambitambinao, etsetra.

Mba mandria am-piadanana izany Neny tiako izany !
Aza dia variana loatra mitsinjo anay ety an-tany
Fa efa ela no nitony ireo alahelo nahatorovana :
Tsy sanatria hoe nanadino, fa maminay ny fahatsiarovana.

Sahia mandry am-piadanana, tsy resy akory ianao ry Neny
Na dia voafingan’itsy fasana, sarisary ihany ireny !
Ny tsikinao sy irony hehy, ny tambitambinao, etsetra
Vita sokitra ao am-po, ny Fitiavanao … Mitoetra.

Koa mandria am-piadanana izany Neny tiako izany
Tsy maty akory hono ianao fa matory fotsiny ihany.
--------
Rohy:
678 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 25/09/2020 16:04
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108