Eny ambanivohitra eny (Raï Tsitoh Mi'kalo)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro misy trano tazako manangasanga
Ny tafo efa boboka ny rindrina miloko manga
Toa mitovitovy fijoro tsy misy sahala
Indrindra fa rehefa maraina feno fanala

Mahafinaritra rehefa tazanina
Avy eny amin'ny vohitra tsy misy arofanina
Mahafinaritra raha Samy toerana
Tsy aleo ve any no manorom-ponenana

Ny firaisankina milamina tsara
Tsy misy maninona na mody tara
Mahay mifanampy rehefa sendra ady sarotra
Indrindra rehefa andro maloka

Raï Tsitoh Mi'kalo
15-01-24
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
99 2
Commentaires
Raï Tsitoh Mi'kalo ( 16/04/2024 06:28)
Misaotra an'i Ikalamako namaly ny fangatahana mba hiantsa????
ikalamako ( 18/04/2024 12:01)
tsisy fisaorana namana a. Alefa tsikelikely fa lasa marobe ny fangatahana nony niha-niroso tamin'ny fiantsana isika. Fa ianareo ihany koa ange afaka miantsa azy e. Mba anjaranay indray ny mihaino anareo amin'izay, hihihi.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Raï Tsitoh Mi'kalo
Inséré par : Raï Tsitoh Mi'kalo
Date : 08/04/2024 12:26
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144