Kozy mafonja (Rabarison Roberto Stephan)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
***********Kozy mafonja************

Olty ry bandy eh
Elah anie izany koziko izany
Elah anie mba natera-behivavy e!
Fa aza mba avela izy hitomany

Mba manàna ialahy fo mitempo
Dia mba fafao ny ranomasony
Fa ny alahelo ao am-pony toa manentoeto
Mba henoy anie izany antsoantsony e!

Ialahy miseo be saina, tsy mba mamindra fo
Jereo izy efa mitaraina, mijaly ihany koa
Tiavo lesy izy ah,izay no lazaiko anao
Ilay fikasian-tanana isan'andro,
mbola ho neninao

Ny sipa anie lesy rehefa tia dia tena tia
Mikajy fatratra isan'andro ,
mba hasoa ny dia
Nefa elah toa midingin-drambo , sy manao teny maharary
Mampaory ity fony , ary mety ampiditra azy hopitaly

Fa izao aloha izy mandefitra fa tena tia
Ka ao arina kely ao tezitra, ka isara-dia
Dian'ny mbola tsy tonga ilay tanjony iray
Dia tiavo lesy izy ah, sao hanenin'ialahy mandrakizay

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
100 1
Fans: eugene
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145