Nofy mamy (Rabarison Roberto Stephan)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy mamy

Tantara tena mamy
Toy ny nosorana tantely
Tena lavitrin'ny jaly
Fa toa feno anjely

Toa niaina sambatra
Adinoko avokoa ireo sento
Izany no tena hoe tonga lafatra
Sy manitra manetoento

Toy ny tany am-paradisa
Fa tsy niaina teto an-tany
Lavitrin'ny fampandrina hajisa
Sy ireo sento sy ny jaly

Toa tontolo feno fitiavana
Sy tena mampifalifaly
Izaho tena saika tamana
Kay ilay izy nofy ihany

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Lien:
115 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141