Ry ilay olona iny (Rabarison Roberto Stephan)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry ilay olona inyIzay angamba ilay lahatra
Nifarana koa ilay tantara
Isika alahatra fa tsy mpandahatra
Dia mba mitsinjova ny any afara
Nifarana ny dia
Na dia lalim-paka ilay fitia,
Dia nofaranana satria...
Ianao tsy natokana ho ahy
Fa efa an'iny olona iny
Ka veloma aza manahy
Fa tsy ho voafafa ny fahiny
Ka tso-drano no atolotro
Tso-drano no omeko
Ilay teny avy amin'ny molotro
Ny fandaozanao ekeko
Misambara hoy aho
Misambara an-tratrany any
Fa na mafy ary izao
Dia miangavy, aza mitomany
Mahereza, atrakao ny loha
Fa ny antsika tsy anjara
Miangavy aho tiavo ilay taloha
Mba tsy ho ratsy fiafara
Dia misambara ry ilay olona iny
Fa izaho anie ka tsy nitoetra ,
Fa mpandalo, mpivahiny
Ny androko voafetra
Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Lien:
