Tena Tia (Rabarison Roberto Stephan)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena tia

Malala o!

Na marary ary aho
Dia ny foko tia anao
Tsy anio ihany anefa izany
Eny tiako enao ,
hatrany amparany any

Malala a!

Mba renao ve ny foko mitempo
Toa tsy mety tony fa tena reko
Hoe tia anao aho , tena diso tia
Ka hiaraka aminao aho,
eny ho doria

Malala Hoa!

Mba fatatrao ve fa enao tena tiko
Ka mandrakizay ianao tsy ho ariko
Fa ho tiaviko foana ato anaty
Hiaretako avokoa ny mangindy,
izay tsy taty

Malala kosa e!

Izaho anie tena tia eh...
Ka aza avela irery fa tsy matokan-dia
Fa te ho tantanao foana
Eny mandram-patapitra ny fotoana

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
161 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142