Efitra kely voafono fitiavana (RAKOTOMANANA Christian Gabriel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tiana, ry malalan'ny fo
Na mbola tsy ahy aza ianao, izany no irariana ho toa
Hameno izato efitra kely
Hameno ny babangoanam-pitiavana izay tena mamely

Efitra voatokana ho an'ilay silam-panahy
Hiara-dia amin'ny fiainana hiaraka hisalahy
Izany no hany arovana
Na dia betsaka aza ny zavatra tsy maintsy lalovana

Efitra manandanja raha amiko manokana
Raha tsy izany ve hoy aho ilay izy ho voa tokana
Mangarahara, mangatsakatsaka ary fitiavana madio
Voaro tsara tsy ho ravana tadio

Efitra mahatamana, tsy ilaozana hafanana
Ny olana ho lavitra, ny ady hamorĂ na
Izany ambarako izany ilay efitra kely
Mandrosoa ary ianao, fa ho rosoana tantely

RAKOTOMANANA Christian Gabriel
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
709 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138