Fihaonana voalohany (RAKOTOMANANA Christian Gabriel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ilay latsak'orana iray mitete manaitra
Na irony tsindrona kelin'ny loham-panjaitra
No fahatairako raha nitompy maso anao
Endrika efa hita fa tsy endrika vaovao

Nanosika mafy ny saiko hieritreritra hoe mba taiza moa no mety nifanojoana
Inona no ho lazaiko ianao ity efa eto anoloana
Tsy mety tadidy mihintsy na dia mafy aza ny fiezahana
Ny tarehiko feno henatra ianao koa efa mahana

Tsy maintsy mijoro, hatsipy ny fintana
Hofadiana lavitra ilay teny hoe ho alaiko ho anao ny volana, homeko anao ny kintana
Lasa ny teny, nandeha ny resaka
Nanjavona ny henatra toa mba resy sy tresaka

Tahaka ny feon-tsioka iray monja dia tapitra ny koràna
Handeha indray ianao, isika roa ity toa samy tamana
Fantatro ianao izao, izay no zava-dehibe
Mino aho fa na ela na ho aingana isika tsy maintsy hifandre

Vetivety dia tsy hita toy ilay alo-borona manidina
No nialanao dia dila, izaho kosa nijaridina
Nijanona kely teo, toa lasam-borona
Tena nisy ve ilay teo, sa ny saina no namorona

Raha mba tafa ala ato an-tsaiko intsony ianao marina mafy
Mahita olon-kafa izaho, ny eritreritra milaza fa mampirafy
Fa dia nahoana loatra re
Ny saina sy fo, ny fanahy toa mitoreo

Efa tia hahita sahady izato endrikao
Nefa ianao aza ity, vao eo no mandao
Mijery ilay tarehy, tarehy mamiratra
Ny maso tsy leo, tsy mety mikipy fa tavela mihiratra

Fantatro izao no manjo ahy
Raiki-pitia ka mila sahisahy
Izay ilay fihaonana voalohany ka tiako mba hiverina
Ny tantarantsika roa 'itohy, izaho tsy hanaiky hoe eo dia taperina

RAKOTOMANANA CHRISTIAN GABRIEL
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fitiavana
665 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143