AFO (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kolokoloy izato afo
Ampio kitay tsy miato
Aza avela mihitsy ho faty
Hanafana ny ao anaty
Fa mangatsiaka ny rehetra
Hitako mipararetra
Ny fanala mahatorana
Tsy ampy lamba hisalorana

Soroy tsara izato afo
Aza asiana hoe handraso
Fa efa ketraka sy noana
Ny kibo kepaka sy foana
Ny afo no any hanamasaka
Ireto sakafo toy ny katsaka
Hiketrika ary hanalemy
Ireo hanina ahazoana hery

Ampio solika ny afo
Ahita aleha ireto maso
Fa maizim-pito ity lalàna
Tsy afaka mandeha fa toa pahana
Samia mihezaka mandrehitra
Hanazava izato sehatra
Hitsilo ny tsirairay
Dia handroso amin'izay

Hampiredaredao izato afo
Hanatsonika ny vy sy vato
Fa toa tsy mandroso mihitsy
Tsy ny hetaheta no tsy misy
Koa ndeha ny fahaizamanao
No ketrehina hatao
Dia mba hisy vokany amin'izay
Ny herintsika izay miray

Tandremo anefa, ny afo koa mandoro
Mandrava kila izay najoro
Manapotika ho lavenona
Tena tsy hanan-kotenenina
Ny afo mila fitandremana
Fa mety tsy ho fatin izay lemana
Tena hery anaty mampihezaka
Mahafaty raha tandrevaka

RASOA
SEPTEMBRA 2014
--------
Lien:
481 1
Fans: RASOA16
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RASOA
Inséré par : RASOA16
Date : 05/04/2022 18:59
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137