FANATANJAHANA TENA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny masoko ho sokafako
Hankafÿ ny manodidina
Atongilako ny sofiko
@ tsiokam-borona manidina
Ireto voninkazo izay manitra
Hanimbolo azy ny oroko
Izay enta- mavesatra tsy zaka
Apetrao mora eo an-tsoroko

Andeha koa ireto tongotro
Hitety lala- maro
Fa ny saiko efa notezaiko
Hanadino na ahatsiaro
Nefa izaho tsy handohalika
Na inona na inona herisetra
Ka hampitraka sy hiady
Hampahery ny rehetra

Ireo molotro hitsiky
Eo anoloan' ny zava-tsarotra
Ny lohako izay miasa
Tsy hitsahatra hikaroka
Ary ny vatako hijoro
Hatr@ andro farany
Hitempo fitia koa ny foko
Mandrapahatonga ny anjarany


RASOA
DES 2014
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
237 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 05/01/2023 18:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143