FIALANTSASATRA (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miloko volamena ny torapasika
Tontolo manodidina toa sariaka
Mamaivay ny tongotra tsy akasika
Doran'ny masoandro izay mibaliaka

Ny ranomasina etsy anila
Manasa ny vatana mba hiroboka
Izay efa reraka ka mba mila
Fiovan-drivotra tsy ho drodroka

Ny onja midoboka dia mandrotsy
Mozika malefaka mampatory
Mifafy, mikapoka, tsy mandrotika
Adino daholo ny sorisory

Ny haronkely feno sakafo
Efa miandry raha sendra noana
Ny rivo-mitsoka manafosafo
Tena paradisa ny eo anoloana

Ny takariva, efa tara
Manao masikita sy tono akoho
Miara- miredona @ gitara
Ireo hira rehetra hay taloha

Tsy hita mihitsy ny andro alina
Mandra-maraina toa fifaliana
Na vizana io na valalanina
Ny torimaso manao izay tiana

Ny fiarahana @ ireto kilonga
Araraotina mafy koa eo
Be ny vazivazy sy somonga
Tontolo ny andro tsy mankaleo

Mamaky boky izay mahafinaritra
Marobe no tsy vita hatrizay
Miampy ny zavatra tena tsy aritra
Tiana ho tanterahina @ izay

Izany tokoa no saina afaka
Lavitra asa sy tebiteby
Adino daholo ny sakatsakana
Fifaliana tanteraka no mifehy

Dia toy izany aloha ny herinandro
Totorebika, tsiky ary koa korana
Mitsidika toerana isan' andro
Manararaotra ny andro mafana

RASOA
AOUT 2012
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
323 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123