HANDAO HIOMBONA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny herisetra tsy tana
T@ androm-pahazazana
Nahatonga anao hitroatra
Hifonako fa tafahoatra
Indrisy ny fandaozako mazana
T@ androm-pahatanorana
Toa tsy vita izay natao
Satria Aho nanadino anao

Ny hevitra tsy nitovizana
Nefa mbola nikirizana
Nahatonga disadisa
Ho tandremako @ sisa
Na ireo takona nafénina
Ka ho sarotra harenina
Nefa koa safidy malalaka
Tsy hataoko hampisaraka

Ny vady tiana sy nirina
Tsy niarahana nofidina
Nahatonga adi-hevitra
Indraindray misy tezitra
Na dia hita hoe tsy marina
Tena tsy ahatafarina
Indraindray mbola babo
Andao harenina izày lavo

Izay rehetra tsy nety
Tsy hataontsika handresy
Hanamaloka ny fifankazahoana
Izay efa notompoina
Hiezaka isika @ manaraka
Hifandefitra sy halalaka
Hanaiky ny zavamisy
Tsy haratra ho voakiky

Izany rehetra izany
No hanoratako androany
Hanalako ny ahiahy
Hifankatia fa mpirahalahy

RASOA
APRILY 2013
--------
Rohy:
289 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 06/01/2023 17:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144