MITADY (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MItady anao aho ry fahafahana
Mbola maro be no hitsahina
Sy tampenana ny vava
Tsy mahita mangirana misava
Satria izay mba tiana ho tenenina
Dia hampanginina sy hafenina
Fa toa manelingelina
Dia terena ho hatelina

Mitady anao aho ry fitoviana
Maro be no mbola hiadiana
Mba tsy hisy fijery mitsimbilana
Na fizarana mitongilana
Fa handroso indray miaraka
Na ny atsimo na ny avaratra
Tsy hisy vavy hoe na lahy
Fa mitovy zo, mifandray

Mitady anao aho ry firahalahina
Mihabetsaka ny fanahiana
Tombotsoa no mibahana
Dia adino ny fiarahana
Ka lasa mifanasa vangy
Nefa zaza niara-nisangy
Eny hatramin'ny fianakaviana
Toa misara-bazana, variana

RASOA
JANOARY 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
369 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 03/04/2022 12:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137