TIAKO IANAREO (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianareo
Matoa isika miady
Samy manana ny marina
Nefa koa mitady
Izay hiraisana hatrany
No hatao imasoana
Izay heloka vita
Efa nibaboana

Ny tsy eo am-pelatanako
Foroniko tsy mihambatra
Raha izany no heverinareo
Ho tena mahasambatra
Tsy mitsitsy aina aho
Tsy misy hakiviana
Ny tsikinareo
No tena fifaliana

Tiako ianareo
Tsy miala ato an- dohako
Mahita tsirony Aho
Amin'ny adidy hiantsoroako
Ny fitiavako anareo
Tsy mba misy havakavaka
Ny fianantsika rehetra
Dia entiko am-bavaka

RASOA
May 2014
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
56 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RASOA
Inséré par : rarakivy
Date : 08/09/2024 21:04
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141