TSY HILAHATRA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mialatsiny aho afa tsy hilahatra
Tsy mitovy ny hevitra dia mihaotra
Tsy ny fahafahana no tsy tiako
Hatramin’ny farany io hiadiko
Na sanatria ny maty no tsy hajaiko
Fa tiako hazava koa ny saiko
Satria rehefa tsy misy ny mandefitra
Na ny tokantrano aza mety hirefotra
Rehefa mitampi-tsofina ny rehetra
Dia tsy maintsy tonga ny herisetra

Tsy ekeko ny hoe misarontava
No hamonoana tsy mihambamba
Ka arantiranty ny fivavahana
Nefa misy olan-kevitra terena arahina
Ekeko koa anefa fa tsy zaka
Hatao fihomehezana mampikakakaka
Ny « masina » efa mankarary
Dia lazaina hoe « kisarisary »

Raha fiarahamonina no tiana handroso
Dia tsy hevi-diso no haroso
Raha fahalemana no katsahina
Tsy ny loha no tapahana
Raha fahafahana no lalaina
Ny hevitrin’ny hafa koa hajaina
Raha te-hamboatra izay tsy mety
Milaza izay marina ianareo mpanao gazety

RASOA
11 JANOARY 2015 ( je suis charlie mais je ne suis pas charlie)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
290 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 06/01/2023 09:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111