TSY MANDAHATRA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hilaozan - tsafon- drano
Ny fiainantsika etÿ
Toa mahery loatra izato onna
Hampianjera hikodia
Na mahay rano aza
Mety hilentika sy safotra
Ny fahaiza-manao
Tsy voatery hoe hanavotra

Indrisy fa migaingaina mafy
Ny famakiana izato efitra
Vao taona vitsy izay
Ny voary tsy milefitra
Nanantena aho ny hiara-dia
Hanalehibe sy hiara-paly
Nefa famohizana tsy tana
Ny atambo no namaly

Dia tonga indray itÿ
Mitsoka mafy ny tafiotra
Vao mba vitako ny tafo
Dia nirodana izay vita
Famoizana sy fahabangana
Ranomaso no mijojo
Mafy loatra itÿ mihatra
Toa tsy zaka izay mitojo

Tsy mandahatra isika
Ny aretina sy loza lavareny
Tsy ho adinontsika ny misaotra
@fahasoavana nomeny

RASOA
16 FEB à 22h
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
273 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 10/01/2023 08:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099