VERY (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Very ny fotoana
Tsy nisy zava- bita
Lany nisiotsioka
Nirenireny lava
Nampitampim-bava
Kanefa koa mba nisy
Fotoana tsy nitsitsy
Niasa tsy nisasatra
Nikasa ho tonga lafatra

Very ny fifandraisana
Tapaka tsy fidy
Ny fo koa nihidy
Lasa nirenireny
Nitsabo ireo fery
Kanefa toa mba tsara
Fahanginana mazana
Lavitra ny tabataba
Fahasorenana misava

Very ny fananana
Kila sady may
Ny mpangalatara tsy fay
Tsy nisy azo raisina
Tena nitondra faisana
Kanefa mbola mahatsiaro
Ho voatahy sy voaharo
Tsy nafoy fa mbola mitsangana
Hanangona sy hanangana

RASOA
JUILLET 2020
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
64 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163