FIRENENA (RATAN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho aiza ity Firenena?
Miaka-midina raha vao jerena.
Noho nt ady lahy politika?
Hivavahana amin'ilay Ray mba ho tafita.

Tonga indray ity olana.
Naharitra amam-bolana, aman-taona,
Heno hatrany amin'ny fidoboky ny Fo!
Eh! Tantaram-pirenena io ka tsy avela ho loha.

Inona moa ity mampiady?
Nananana halahelo manjadihady,
Namonoan-tena, namoriam-bahoaka,
miafina mpitando mba tsy ho voafoaka...

Ho aiza ré isika?
No sady tsy ho atsy, no tsy hitady fika,
mankaleo no sady tsy voavohy,
hitahian'Andriamanitra mba tsy hitohy.

Inona ré no hatao?
Ny vahoaka ity efa lao.
Nefa raha mahatsapa anefa ianao,
Dia tena loza ty fa tsy kilalao.
--------
Lien:
Catégorie : Firenena - Ady
1044 1
Fans: Ratan03
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RATAN
Inséré par : Ratan03
Date : 30/12/2017 06:46
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141