Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny afo (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Menamena hoy aho ny afo,Mena misy mavomavo.
Kanto erÿ ny endriny raha tazanina,
Fa saingy tsy azontsika raisin-tanana!
.
Menamena hoy aho ny afo,
Menamena nefa kanto,
Mahasoa izay mila azy,
Nefa koa mahafaty izay mba te ho faty!
.
Menamena toy izany ny fitiavana,
Misy mavomavo koa raha banjinina.
Miredareda rehefa maina ny andro,
Fa maty kosa rehefa voatondra-drano!
.
Mila kopahana isan'ora,
Raha tiana haharitraritra.
Ilaina fahazarana,
Toy izany mantsy ny fitiavana,
Ka mila omena rivotra,
Raha tiana andeha lavitra.
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Lien:
Catégorie :
fananarana - Fitiavana
