Tazako (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy aloka, Manaloka.
Toa tazako manatona.
.
Misy rahona.
Tazako mandrahona.
Sy mitondra zavona.
.
Misy tadio tsy mety mijanona.
Izay mananontanona.
Fa handrava ny tamboho vao voakoloko.
.
Misy lefona efa tazako.
Avy aminao rahavako.
Fa hitsatoka amin'ny foko.
ⓒHerizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana