"Dotra" (Riankanto Ny Fitia)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"DOTRA"Injao fa mangina ny moron'ny rano
Ka rivo-mitsoka malefaka sisa
Hany misangy ny felan-tatamo
Nilaozan-tsiriry ka mipitrapitra...
Indry fa nisoka tan-danitra ambony
Ilay tara-bolana kely efa osa
Nilefa tsy hitan'ny masoko intsony
Ka dia maizin-drery ny foko efa dotra
Ry kintana vitsin'ny lanitro ngaly
valio hoe nankaiza ny fanadinoana
antsoiko kanefa tsy reko mamaly
ny hiakako miharo fisentosentoana !
Injao fa mangina ny moron'ny rano
ka meteza hiantra ny foko, o ry tany
ny masoko mantsy raha manganohano
tsy ditsoka izany fa tena tomany...
Riankanto Ny Fitia
--------
Lien:
Catégorie :
embona - Fisarahana - Fahatsiarovana - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana