HAMPOMBAIKO, (Riankanto Ny Fitia)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMPOMBAIKOHampombaiko ny senton'ny foko mankany
Iny rivo-mitsoka malefaka iny
Fa feno alahelo ny foko tomany
Manembona mafy ny anilan'ny tiany
Ary hafarako koa izatsy vorona mody
Hampita any ho any ity kaloko ity
Fandrao mba izany no hoe fanafody
Enti-mitsabo ny ratram-pitia
Dia ny ratram-pitia izay mikiky ny anaty
Mahaketra-panahy ary koa mampahory
Manaintaina, manindrona mafy
Tsaboina kanefa tsy mety mitony
Tsy mety mitony fa toa zatra tamby
Sy zatra rotsian'ny angolany koa
Ka misento mahatsiaro ny andro somamby
Nifampizarana ny vetson'ny fo
Manembona mafy ny anilan'ny tiany
Sy feno alahelo ny foko tomany:
Ka iny rivo-mitsoka malefaka iny
Hampombaiko ny senton'ny foko mankany...
Riankanto ny Fitia
--------
Lien:
Catégorie :
Fiononana - embona - Fisarahana - Fahatsiarovana - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
ravelonarivomirado2001