Mitaraina I Gasikara (RLChrystien)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitaraina I Gasikara✍️??

Tsy mpanoratra aho akory,
Fa mba nindrana ny peniny
Tsy Poeta ihany koa aho,
Fa mba misalotra ny teniny

Tsy faratampom-pahalalana
Na taniketsam-pahendrena,
Fa malagasy ray sy reny aho,
No sady gasy firenena.

Malagasy rano handroan' aho,
Malagasy fo sy saina,
Ary mora malahelo,
Raha mandre, ireo taraina.

Mitaraina i Gasikara, fa voahitsakitsatsika
Ireo santa nijoroany,
Ireo fihavanana fahiny
Indrisy, f'efa tsy hita intsony.

Mitaraina i Gasikara
Fa ny gasy samy gasy,
No tsy mifankalala intsony,
Fa toa lasa mifandrafy.

Mitaraina i Gasikara,
F'ireo vako-tsarobidy mba firavany fahiny,
Tsy misy tazany eto intsony
Angamba lasan' ny vahiny?

Izao isika malagasy,
Toa manan’olana goavana,
Sanatria ve, dia manody,
Ny ranomason' tanindrazana?

RLChrystien
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
231 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119