Ho inontsika ny hira (Rongo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho inontsika ny hira

Ho inontsika ny hira
raha hiraina fe hiraina,
tsy hitondra fahamboniana
ho an'ny fo fanahy sy saina;
kotrakotram- pahoriana
sy mitolona ara- nofo,
milonjehitra mangina
irony tanambokovoko?

Ho inontsika koa ny kalo,
izay kaloina sy antsaina
eny an- tsofin'ny mpandalo
amin'ny andro vao maraina,
raha ho rediredy monja
sy mandringa ny hatsarany;
tsy hahababy tsy hahatondra
na dia sombin- tsiky ihany?

Sarobidy very lanja,
vary an- daona ratsy toto;
toy ny virijiny manja
novirain'ny jiolahim-boto
ny hirahira izay hiraina,
sy ny kalo izay haranty
raha tsy hambomba fofon'aina
hahavelona ny maty!

Rongo,
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
64 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149