ANIO IHANY (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANIO IHANY

Ekeko fa hoe hadisoana,
Fantatro fa hadalàna,
F’anio tiako ho hadinoina
Ireo didy sy ireo fandraràna.

Raha raisina ho fahotàko,
Vonona aho hizaka ny heloko ;
F’anio tsy mba horaràko
Fa hoventesiko sy haveriko.

Tsy hiahotra aho, tsy hisalasala
Hizara ny ao anatiko aho ;
Ka ny rehetra hahalala
Izay nokoboniko hatrizao.

Mety hisy ho tahintohina,
Hilaza fa rediredy ny ahy ;
Hisy ireo himonimonina,
Hiampanga ahy ho ts’isy fanahy.

Fa tsy ahoako izay hiseho,
Tsy ahoako izao rehetra izao
Anio ihany aho, mba ekeo
Hilaza fa hoe « Tiako ianao ! »

Anio ihany…

Ryana
(28/03/07)
--------
Rohy:
1446 0
Hevitra mandeha
SOBIKA ( 09/05/2007 13:44)
mm tsy mahazatra ny fiarahamonina tokoa ny andriambavilanitra mitory fitia voalohany! nefa rehefa mafy ny hetaheta izay tsy misy mangataka voatamaina! amizao efa mitovy zo ny lahy sy ny vavy izao ve mety mbola tsy hanana zo hamboraka ny ao ampo ianao anio......mahereza
Ryana ( 14/05/2007 19:08)
Dia tena hahery tokoa moa izany! hahahahah
MIsaotra nitsidika ny nampahery.
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104