Telo taona (Soayin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Telo taona sahady hono aki izay no lasaFitia mahafatifaty, nitsiry tao anatin’ny asa
Tsisy nanampo ho samy tia sy iraiki-po
Fa tena mamy kay ilay fitiavan’olon-droa
Dia ohatrany hoe…vao anikeo ilay bisous
Tsiahy mbola mampientanentana ny foko
Niverina adolantsento aho hatramin’iny
Entin’ny fo tsisy fieritreretana fotsiny eny
Tantara hafakely, mbola mampiaiky ihany
Nifanojo, ‘nefa olona lavitrisa eto an-tany
Ny fandaharana, tsy ho takatry ny saina
Tsy ekeko ho ditra, fa mameno ny aina
Na eo aza ny sakana samihafa, mamehy
Tsy hahafahantsika misehoseho, fa bedy
Dia namelana, nitombo sy nia-matotra
Satria tsy hay toerina…lasa mafy fatotra
Ny ampitso tsy antsika, tsy ho voafaritra
Mamehy tena foana aho tsy hijery lavitra
Tsy te hanantena, fa iainana ny zava-miseo
Hararaotina, dia ekena izay mitranga eo
Heri-po ho ahy, sy mahasambatra ahy
Ny hany mba azoko antoka, dia izay
Tsy sombitsombiny no omeko, fa feno
Efa telo taona ny foko no nandrenesam-peo
--------
Lien: