A M I N ' N Y (SOLIMAH)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'ny ora namboleny
ireo karazam-boninkazo,
Dia efa nisy ny andian-teny,
Nisy gadona sy vazo
tonga tao an-tsainy tao :
---"Fanomezana ho anao".---

Amin'ny ora hitsirian'
irony fakany sy vony ;
Dia vao mainka hiangaliany
izay tahirin-kira am-pony.
Mantsy efa ela no nangoniny :
---"Na ny feony, na ny tonony".---

Fa raha ho avy koa izay ora
hivelaran'ireo felany.
Hotsiahiviny amin'ny soratra
ireo ainga an-taona ela ,
Dia vao mainka ianao ho babo :
---"Hankafy ilay voninkazo"---

Mety ianao mihitsy angamba
no maniry hotondrahiny...!
Hisalotra ilay sora-damba
sy hitaona ny fanahiny.
Amin'izay fotoana izay ?
Hiampy anao ny zaridainany.
Voninkazo hafa indray no
hampiova loko ilay marainany.

...... S O L I M A H ......
19-10-21
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
12 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.01