FERY ANATY (SOLIMAH)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reko misosa eto ambony fandrianailay aingampanahy tsy fanta-piaviana.
Tsy takatro loatra izay tiany holazaina
fa emboka hafa mandoro ny saina.
Vangongon'ny alok'ireo taona lasa
no injao miady sisina sady mikasa,
Misisika mafy hilafika an-doha.
Manery ahy hitroatra, manery ahy hifoha.
Mba inona loatra no tanjon'izany
Fa tsy azoko veroka, tsy azo vinany?
Karazana diary misafotofoto
no injao mifanjinja ato anatin'ny foko.
Toheriko ihany , kanefa tsy laitra.
Vao mainka manindrona sady manaitra.
Torovana mafy aho, kinanjo tereny
handrafitra ireny karazany ireny :
Dia nisy ireo bainga tsy vita navadika,
Ankoatran'ny tolom-panahy rakotra ady
ka zary nametraka ratra ao anaty.
Nitondra takaitra aho fa mbola tsy maty.
Dia nisy ihany koa izany rano maria
tsy maintsy nodiavin'ny lakam-pitia.
Andanin'ireny ilay rivo-mifofo.
Soa ny herin-tsaiko fa mbola tsy niofo,...
Sahala amin'izany ny ampahan'ny tolona.
Iaretana , saingy toa mihamamololona.
Dia izay ilay aretin'ny tia soratsoratra :
Anaty eritreritra no mihorakoraka.
Mba mody mandefa vinany mangina,
Kinanjo ao am-po ao tsy zaka toniana!
Manafina fery amin'ny endrika ivelany ,
Mirongatra anaty ny vony sy felany.
S O L I M A H✓
Septambra 2025
--------
Lien:
Catégorie :
Fahatsiarovana
Commentaires
MAZ RAMANA
(
11/09/2026 05:58)
Dia izay marina ilay aretin'ny tia soratsoratra :
Anaty eritreritra no mihorakoraka! Teny vitsy, kanefa mahalaza ny adin’ny fo sy ny tabataban’ny saina anaty fahanginana. Mampieritreritra.
Anaty eritreritra no mihorakoraka! Teny vitsy, kanefa mahalaza ny adin’ny fo sy ny tabataban’ny saina anaty fahanginana. Mampieritreritra.
