I N O F Y (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toerana manokana tsy dia fahitan'olonano niainantsika roa tamin'ny alina mangina.
Tany isika roa no nifampitolotolona.
Matsiro sady mamy akia ny sidim-binavina.
Mba aiza ho aiza loatra amin'ny ilabolan-tany
ilay toera-manirery sy kanto izay niarahana?
Ny lani-pito sosona no tratra tamin'iny ,
Fa mamy sy matsiro ny ilay aingam-pivavahana
Ny masoko nikipy, ianao nanafosafo,
Nivezivezy isika tamin'ny toeran-tsamihafa.
Tsy nandrenesam-boky ireo karazana sakafo,
Fa iny lalana iny aloha toa sarotra finafa.
Notaominao tsy nahy ireo aingan'ny filàko :
Dia tsapako tanteraka ny hamamin'ny fitia.
Tamin'iny indrindra no niainga ny hadalàko.
Toa tsapako ny tsiron'ny fampiarahan-dia.
Vitantsika roa notetezina ny lanitra;
Ny tia koa mantsy jamba, dia iny aho fa nanaraka.
Maherivaika loatra Ilay herin'Andriamanitra!
Izy no mpandahatra, f'isika avy eo nisaraka.
Tsy azo nidongiana ilay ora mamintsika,
Voatery nofaranana ilay diary ka totofy.
Tsy maintsy misy farany ilay sary indray mipika
Fa tsapako ny herin'ny lanitrao ry nofy a!
...... S O L I M A H ......29-10-2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
