NY TOKOM-PITIAVANA (SOLIMAH)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy resaka imolotra vita amin'ny toky,Tsy maintsy laroina amin'ny saina sy nofo.
Sahala amin'ny soratra anatin'ny boky
Banga ny andalana iray rehefa miofo.
Tsy maintsy fenoina ny sary sy loko,
iorenan'ny endrika izay itsanganany.
Ny fo sy ny saina ary nofo no toko
izay manatontosa ny tena fiadanany.
Mamy dia mamy ny tokim-pitia,
Fa banga dia banga raha tsy ampy sakafo.
Hafa ny lalan'ny vary an-dovia,
Dia hafa koa ny akon'ireo safosafo.
Ny hoavin'ny vatana mila ketrehina,
Ny tadim-pitiavana mila fatorana.
Ny ampitson'ny zaza tsy maintsy tetehina,
Ny fon'ny malala koa tsy azo votsorana.
Fehin'izany dia tsotra sakaiza a :
Ny atao hoe mitia dia mahay misabàka.
Ny zava-drehetra no atao tsara taiza!
Ny fototra iorenany atao lalim-paka.
.....S O L I M A H .....10-2021
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
