SORATRA FANAHY (SOLIMAH)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa mbola tsy voafafan'nygaoma iray matevina
ireo sora-tsiaro sy evin'
ny taona nifanesy...!
Nanjary nifanisika
ambony pejy vao,
An'eritreritrao,
Mihitsy hatramin'izao
....dia loko tsy voavono
ireo soratra amin'ny fonon'
ny boky izay natonta.
Andalan-droa sy telo
mirakitra alahelo
no tazana etsy an-dohan'ny
sasin-teny an-kafatra,
Fa nisy sary lafatra,
....dia mbola nisy koa
ireo aloky ny fo....!
Fo misarom-boaly,
Ako mifamaly,
Aloky ny omaly,...
Penina manangatra
imason-dolo fotsy
no iroa mandrotsirotsy
ilay pejy rovi-joro...!
Ainga kalanoro,
Avelo zary tsiahy,
Ilay soratra fanahy...!
..... S O L I M A H....
08-11-2021
--------
Lien:
Catégorie :
Fahatsiarovana
