TOMBONTSOAN'NY MARO (SOLIMAH)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola asiana resaka zanak'anabavy
ny fitantanantsika ny haren'ny firenena,
Dia mbola hisy ihany ireo trozona matavy,
Hahazo tombontsoa amin'ilay fitiavan-tena

Raha mbola misy foana ny Ty sy Nday an-kiafina,
Ataon'ny olom-bitsy mba hahazoan-karena
Dahalo ambony sehatra sisa no tarafina,
Môdely fako saina no hameno firenena.

Ny tombontsoan'ny maro no tokony himasoana,
Mitovy mantsy isika, no sady iray fiaviana.
Ny maha malagasy no tokony hotompoina
Tokony ho fitaratra amin'ny hoe fifanampiana.

......S O L I M A H....
©170820®
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
12 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0147