TOMBONTSOAN'NY MARO (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola asiana resaka zanak'anabavyny fitantanantsika ny haren'ny firenena,
Dia mbola hisy ihany ireo trozona matavy,
Hahazo tombontsoa amin'ilay fitiavan-tena
Raha mbola misy foana ny Ty sy Nday an-kiafina,
Ataon'ny olom-bitsy mba hahazoan-karena
Dahalo ambony sehatra sisa no tarafina,
Môdely fako saina no hameno firenena.
Ny tombontsoan'ny maro no tokony himasoana,
Mitovy mantsy isika, no sady iray fiaviana.
Ny maha malagasy no tokony hotompoina
Tokony ho fitaratra amin'ny hoe fifanampiana.
......S O L I M A H....
©170820®
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
