VATO KIBORIBORY (SOLIMAH)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mba mahita karazana fantsona,Toy izay nizoran-dry Bema sy Lita.
Ny tena koa dondrona sady matsatso.
Hafa ireo zanaka mahitahita...!
Ny an-dry zareo tsy mikofoka akory
dia afaka mianoka izay tian-katao.
Ny saiko, ny lohako ity boribory...!
Tsindrian-kazolena, vesarana bao.
Maniry , kanefa mijanon-ko nofy.
Valala voatango amin'ny fanantenana.
Zaza malemy sy tena farofy...!
Voarara daholo izay lalan-kombàna.
Natao ho an'ny manan-katao ny tontolon'
ny lala-misosa tsy misy mpisakana.
Ny anjaranay kosa? Valiana bontolo...!
Ny sandry efa osa ka dobo ny lakana.
Na dia efa fantatra izao fa ara-drariny,
Mbola tsiniana amin'ny teboka iray.
Ketraka loatra ny fo ka manjary
tsy te hitanisa izay sitrany ahay.
Poriporetin'ny vola aman-tseza
ny zo aman-kasin'ny zaza minono.
Mibontsina foana ny deba sy ngeza.
Ny vitsika foana no atao matim-bono.
Mila mahay an-dRakoto any ambony
vao afa-mitaky ny zo sy fananana.
Ny eto efa rivo-tsy fantatra intsony e!
Mikaoka izay sombiny kely eo an-tanana.
...... S O L I M A H .....
01 Jolay 2021 -
19h 08min
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo
Fans:
SOLIMAH
