F’ ANGAHA…. (Solofomanjato)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
F’ ANGAHA….

( F’angaha moa, teny kely iny.
D’efa ampy ho fanoitra,
Hampody indray ny efa rava ?

F’angaha moa, ilàna fahampiany
Vao ho tafita, ireny soratra,
Navoakantsika hanazava…)

Ireto fomba iniana atao,
Mikely aina ombieny ombieny
Te hanimba tsotr’izao
Ilay nahasarotiny an’Ineny

Ny tenintsika é! Ka ny teny,
Lova, harena, sarobidy,
Mba tandrovy é ! izy ireny.
Tsy atakalo, tsy amidy.

Fa ny teny Malagasy
Koa tsy manam-paharoa
Tsisy pentina sy tasy
Nomen’ny Tompo ahasoa!

Ireny randrana an’ny hafa.
Aza mba itomaniana
Ny tenindrazanao sokafy
F’io valabe tsy hay laniana.

Sambatra é! isika izany.
Fa nahazo anjara soa
Dia tsisy mpanana eto an-tany,
No nomena an-tsitra-po.

Ny tenintsika Malagasy,
Tsotra, mora, raha tenenina
Fa tena sarotra sy mafy,
Ho an-dry zareo be marenina.

Azonao ivalamparana
Azonao anamparana

Tsy azonao afangaro, tsy azonao atakalo…..

Fa mnan-jina ny tantarany
Teny gasy tsy hisy farany.
SOLOFOMANJATO – Octobre 2008
--------
Lien:
Catégorie : Kolontsaina
287 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143