TSY MAINTSY VE ? (Solofomanjato)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAINTSY VE ?


Tsy maintsy hoe hasambarana ?
Tsy maintsy ho fiadanana ?
Tsy maintsy hoe faratampony ?
Tsy maintsy koa ny fatratra ?

Vao afaka htia !
Vao afaka hiaina !
Vao afaka hivelona !
Vao afaka hitambatra !

Tsy hoe fitsaharana
Na koa izay hany anànana
Sy izay mba zava-kantony
No tombam-bidy fantatra !

Angaha tsy hany hoe tia ?
Angaha misy antenaina ?
Vao sainina sy heverina
Fa tena tia sy sambatra ?



SOLOFOMANJATO
--------
Lien:
2484 1
Fans: benasy
Commentaires
Zozoro ( 25/06/2009 18:06)
Ianao ihany no hafaka hamaly azy haraka ny fahatsapanao, ny fiheveranao ary ny fahitanao ny atao hoe Fitia.
Samy manana ny fahitany azy ny tsirairay.

Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141