MANDO (Sunny)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamo ny aty,Mamom-pitiavana andro aman'alina,
Daozim-pitia,
Lanaka mafy,malemy lalina!
Malemy ny aina,
Malemin'ny tolona natao teto,
Ka indro malaina;
Torotorovana,mamoaka sento
Mando ny any,
Mandom-pitiavana,tafiditra lalina
Indro tomany;
Nanaiki-molotra...mandon'ny alina!
Indreto isika
mitolom-pandrina,mandra-maraina
Tsy mahatsiaro hatsiaka;
Feno hafaliana manambatra AINA
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
harisanda
(
08/11/2007 13:56)
fa mandon'ny inona kay nareo?so d diso lena loatra ndray e
Antsatnk
(
24/12/2007 07:27)
Ary ela zany anie ka tena vatambata-panoratra mihintsy e maninona zao ra mba atao ankolaka fa misy tsy mahazaka an'zany anie e