NY MASONAO (Sunny)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny masonao ihany
Dia ampy hitarafako
Ny fatran'ny fitia
Anatinao rahavako.

Ny masonao ihany
Dia fitaratra vita
Dobo Nanaharin'
Ilay fitiavantsika.

Ny tsikinao koa
Dia mitory moramora
Ny fahadiovan'ny fitia
Atolotrao ahy.

Ny endrikao rehetra,
Ny vatanao tontolo
Dia fitiavana daholo
Ambaboanao ny foko!
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1173 1
Fans: voniala
Commentaires
mangamaso ( 15/11/2008 21:09)
Mahafinaritra ity tononkalo ity, toy izany no fijerin'i sunny ny mason'ny tovovavy rehetra.
Mankasitraka.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139