Fitiavan-dray (Tefigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa impiry moa ry Dada ity maditranao no niala taminao?
Efa firifiry koa ireo toetra mahatofoka nataoko mba ho anao?
Nefa dia fitiavana, fitiavana hatrany no nasetrinao ireny
Fitia tsy mety ritra, fitia tsy misy mpanana, fitia ombieny ombieny!

Fantatro ankehitriny, fa tena tia ianao, tia tsy misy fitaka
Vonona hatrany hanitsy sy hiaro, na dia tsisy sitraka
Ka mendrika hoderaina, mendrika hajaina, ho tiako sy lalaiko
Omeko ny fitiavako, omeko ny fisainako, omeko ny fiainako.

Tefigasy - 2011
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka - Aingam-panahy
1319 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tefigasy
Inséré par : Tefigasy
Date : 03/05/2011 11:13
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123