Tsiaro (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
E! Nimpody indray NY sentoko nahita olon-droa
Zatovo lahy sy vavy: mifankatia tokoa
Miaina ampahasambarana; toy ireny aho fahiny
Manjary sento anefa izany ankehitriny

Mimpody ato antsaiko, zahay ilay nifanjohy
Tsy nanampo akory NY ho tapaka fivoy
'Lay lakan'ny fitiavana, niombonanay fitia
Tapitra ilay fiainana, niarahanay nandia
Iza omena tsiny? Zovy omena fondro?
Tsy maintsy lasa ve rehefa hoe voatondro?
Sa va re NY tany no malama maina kosa?
Sa mihintsy ny fasana no tia misotasota?

...

Tsy tiako ho re intsony NY momba momba izany
Efa niainana iny k'aleo aho tsy hitomany
Fa hay moa kay raha miaina, manan-toro andrasana
Na ho ela na koa haingana, dia vonona ny fasana
Hitelina sy handray, NY voasoratra ho anjarany
Kanefa tsy ho vitako ny hamafa ny tantaran'
Ilay malalako iny sy ilay tantaranay
Satria ilay fitiavana dia ho mandrakizay


Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
533 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 13/03/2022 10:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098