Zovy??? (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zovy aho no hanantena
Masoandro mbola hiposaka
Amin'ity mamatonalina
Na hanantena fandresena
Tokinaina mbola hirotsaka
Anaty faharesena lalina
Zovy aho no hahavita hitraka
Hiandrandra ka hibanjina
Ireo kintana eny ambony

Zovy moa no hitarainako
Amin'ireny ady mafy
Izay manambana ny foko
Raha mbola ho ela ny marainako
Zovy no iara-hiafy
Amin'ny ady izay misoko
Raha misasaka ny alina
Ka misoka izany volana
Zovy hivimbina fanilo
Ka hanampy hanoro lalana
Amin'ireo karazan'olana
Mampahory toy ny tsilo


vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
346 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014