HOLOKOIKO IHANY... (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOLOKOIKO IHANY...

Raha ny fiainana rehetra moa
No tsy maintsy hirona indray mandeha
Miaraka mankany an-koatra
Dia mety angamba raha…
Aoka tsy hahadiso ahy
Raha mba lokoina amin’ny lokom-
Panantenana sy fitiavana
Izay miloko isan-karazany
mandritry ny androm-piainantsika
ny andro rehetra iainana
Sa ve havela hangatsiaka? Ho ngolin’ny fanala efa mijohy mandavataona?
Na ny lanitra baliaka aza anefa efa tsy hitan’irony maso efa miondrika misaona
Misaina ny tsy hita
Fa hoe hatreo no vita
Nefa ny fiainana mandalo
Misy ambony misy ambany
Ka tsy hataoko hampimalo

Fa dia holokoiko ihany…

TIANA
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
893 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 17/07/2014 10:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104