NY HO FAHAZAZANA (todisoa ndremiranga)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireny lalao fanao fahizay
Mandalo ihany, tsy ho mandrakizay
Ireny soamiditra, tsikonina omaly
Mijanon-ko tsiaro, fitia mifamaly.

Ireny fihantana fanao fahazaza
Mandalo ihany, toa olo-malaza
Anio volamena, rahampitso ahitra sy akata
Satria miova andriana hono, miova sata.

Diso hevitra hianao, raha ho zaza foana
Tsy hisy honina eto, vofetra ny fotoana
Anio maintso volo, ampitso mandry an-drirana
K’izany no antony liana ny hafa, ho andry iankinana.
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
1862 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143