INY ILAY ZAZA (Toetra RAJA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY ILAY ZAZAAtolotra ampanajana ho an'ny reny rehetra tsy mikely soroka amin'ny fanabeazan-janaka, amin'izao fankalazana ny fetin'ny reny izao (30 mey 2010).
Iny ilay zaza
Natao an-tsangory
Fa lasa kalaza
Mahay manamory
Ny fiainany irery :
Voarakotra hery.
Iny ilay zaza
Natao am-babena
Fa lasa malaza
Sy mahavita tena
Mitraka famindra
Ary tretrik'indrindra.
Iny ilay zaza
Notrotrotrotroina
Fa tojo "sahaza"... (1)
Ka raha mba antsoina
Dia fo maromaro (2)
No indray mahatsiaro !
(...)
Na teo 'reto soroka,
Lamosina folaka
Nampian'ny oroka (3)
Mamy an-takolaka...
Dia iny ilay zaza
Nandray ny SAHAZA ! (3)
Toetra RAJA
24 mey 2010
toetraraja@yahoo.fr
(1) taolan-tehezana
(2) ankohonan'ny zanaka
(3) Zanaka nahay namatra ny sahaza azy tao amin'ny tontolo iainany.
--------
Lien:
Commentaires
razamble
(
29/05/2010 11:26)
Lalina be ny tononkalo.
Ny an-tsangory hahaiza-manamory ny fiainana.
Ny am-babena mampitraka.
Ny trotrotrotro hahazoana ny sahaza.
Kanefa na inona na inona no nomen'ny reny ny zanaka, rehefa ny zaza mihitsy no tsy mahay mandray ny sahaza eo amin'ny fiaraha-monina dia hampisalasala ihany ny vokatry ny fanabeazana.
Mankasitraka indrindra mizara.
Ny an-tsangory hahaiza-manamory ny fiainana.
Ny am-babena mampitraka.
Ny trotrotrotro hahazoana ny sahaza.
Kanefa na inona na inona no nomen'ny reny ny zanaka, rehefa ny zaza mihitsy no tsy mahay mandray ny sahaza eo amin'ny fiaraha-monina dia hampisalasala ihany ny vokatry ny fanabeazana.
Mankasitraka indrindra mizara.