Jesosy (Tsikiko)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fotoana vitsy monja izay no lasana sahadyVitsy hoy aho satria maro loatra raha ny ady
no hotanisaiko eto, amin'ny diam-peniko io
Fotoana vitsy monja... Nosaloran'ny tadio...
Toa nisafotofoto, nitondra sy nandrava
ilay rivotra mahery, nitady tsy hisava
Nampivadibadika ny foko, nanimba, mampijaly
Namono ny fanantenako, ny marainako mba faly...
Dia niraraka ny ranomaso, nilofika ny fo
Nisento ny fijery, nalahelo be nanjo
Tsy nahita ambara intsony, sina, gina sady very
Saingy nisy hazavana, niposaka mahery
Hazavana sy hatsarana,
Hery tsara, hatanorana
Fiadanana, fampindram-po
Harena be, avy amin'i Jesoa.
--------
Lien:
Catégorie :
Fiderana