ilay fitiavanao mangina (Tsilefy (Good's))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny fihetsikao rehetra maneho fankahalana
mandrafy tsy ankitsetra ny momba ahy mazana
ny fosafosanao sy ireo fanaratsiana
dia ahitako tsotra izao ilay fitiavanao mangiana

ny masonao mangarika, ny fihetsikao migafy
ny ozanao mitarika, ny ompanao mifafy
ny fankahalanao ahy manjary mahavariana
dia mitory ny fisian'ilay fitiavanao mangina

hatramin'ny endrikao; izay vinitra fijery
dia mbola ahitako fifandroritan-kery
ny teny avokanao, tsy nahy na tsy nohiniana
dia mampibaribary ilay fitiavanao mangina

fa raha izaho ianao dia no tsoriko avy hatrany
fa tsy navilivily tamin'ny fihetsika ohatrizany
fa na ho izao izany, na mety any aoriana
dia hiseo ho azy eny ihany ilay fitiavanao magina

kao dia tano amin'izay fa efa nohadinoiko
tsy ho tsaroko intsony satria efa nionina ny foko
nefa omeo ny hafa fa aza avela ho sina
ndrao hahafaty anao ilay fitiavanao mangina

ny fitiavanao mangina tsy foinao niampifiako
izaho izay nananiry izany tanaty fanaoriako
fa nogiazanao ka tonga hazo fijaliana
ho anao tompony ihany ilay fitiavanao mangiana
--------
Lien:
Catégorie : Hambom-po - Aingam-panahy - Fitiavana
1208 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tsilefy (Good's)
Inséré par : Tsilefy
Date : 13/04/2014 13:04
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174